Recherche Des Sujets Média
Thème du Sujet Media: MEDIAS Tytpe du Chaine L’essentiel de l’actualité traitée par la presse Direction Concerné: Date de Publication
Economie bleue TVPLUS CHAINE TV MEDD TANY ATSINANANA Nanaramaso ny fizotran'ny asa fametrahana vato sy fanotofana tany eo amin'ny Boulevard Ratsimilao ny Minisitry ny MEDD iadiana amin'ny fikaoan'ny ranomasina sy ny morontsiraka ny talata lasa teo. Mitentina 5hetsy dollars ny vola homen'ny FEM hanamboarana an'izany. Efa vita eo amin'ny 95% koa ny ivon-toerana fandorona fako ao amin'ny FKT Antsaramasina Kaominina Fandrama Distrika Toamasina, Ivon-toerana afahana mamokatra akora 3 : bigrade ekologika na solon'ny arina fanderahatra, pavé avy amin'ny plastika entina hanamboaran-dalana ary ny zezika ekologika hampiasain'ny tantsaha. DEVB 2021-09-22
Protection de l'environnement (faune, flore, etc) VIVA CHAINE TV ADY ARA TONTOLO IAINANA MAROLAFY. Misy RADAKABOKA na crapaud asiatique ao amin’ny faritra Antsinanana izay efa miisa 20 tapitrisa sy manatody iray Alina isa ny RADAKABOKA iray Ary herintaona ny fotoana ivelomany. Nanomboka ny taona 2010 no nidiran'ity biby ity tao amin’ny faritra Atsinanana ka tao amin’ny valanjavaboahary IVOLOINA commune ANTEDEZAMBARO distrika Toamasina faharoa. Tao amin’ity toerana ity no nanaovana ny tetik'asa fanalefahana ny voka-dratsy aterak'ity biby ity satria ny RADAKABOKA Dia karazana biby mamoaka poizina mety hahafaty ny olombelona. Manimba ny tontolo iainana noho izy mamono sy mihinana ny rohin-java-mananaina rehetra ka loza manambana ho an'ny rohy voahary ny faritra atsinanana ary loza ho an’ny fiharian’ny mponina Antsinana ihany koa. Izany tetik'asa izany dia iarahany Ministeran’ ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjavy, ny ministeran’ny fianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, ny faritra atsinanana sy ONG Madagascar fauna and Flora Group Ary ireo vondron'olona ifotony. Nanao fambolen-kazo zana-tany ihany koa ny MEDD tao amin'ilay valanjavaboahary IVOLOINA. DAPRNE 2021-09-21